Misy fiantraikany mivantana amin’ny saina aman’eritreritra mihitsy izany raha ny trangan-javatra hita eny rehetra eny. Vao mifampijery fotsiny mantsy ny sasany dia rafitra ny ady, indrindra raha maherihery vaika ny fomba fijerin’ny iray. Maromaro ny tranga tahaka izany mandalo ao aminy raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany iray eny Atsimondrano eny taminay. Vehivavy no tena betsaka manao izany. Maharitra ny fijerin’ny iray ny iray rehefa mifanena eny an-dalana ka rafitra ny ady ary tonga hatrany amin’ny Fokontany izany. Ny mahavariana anefa hoy ity sefom-pokontany iray ity dia milaza ilay iray tena nijery mahery fa miasa saina mafy izy eny an-dalana ka lasa manao jerin’adala. Ilay iray koa anefa eo an-daniny hoy ny fanazavana tsy manaiky fa nahatsiaro sorena ihany koa hany ka namoaka vava ratsy. Tsy eny an-dalana ihany no ahitana tranga tahaka izany fa na ireo mpivady ao an-trano koa aza amin’izao dia manao tahaka izany ihany koa. Vao mifampijery fotsiny dia mifandramatra indrindra fa rehefa tsy misy iny ny vola. Samy mahatsiaro ho sorena mantsy ny roa tonta manoloana ireo adidibe miandry indrindra fa ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Raha fehezina dia miteraka korontana ao an-tokantrano hatreny anivon’ny fiaraha-monina mihitsy ny fahasahiranan’ny Malagasy ankehitriny saingy tsy mety tsapan’ireo mpitondra be vola izany.
Pati
Legende : Latsaka anaty fahasahiranana tanteraka ny Malagasy
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,