Tsy hanavahana intsony izany na zazakely na olon-dehibe, antony nanosika an’ny Dokotera Fidy Bariniaina hanazava izay mety ho voka-dratsin’izany tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany fa fahafatesana mbola kely ny taovam-pananahan’ny zaza no mety ho voka-dratsin’izany ankoatra ireo takaitra hafa. Rovitra ny tsinay ka mandeha mankany amin’ny lalan-jaza ny maloto. Rovitra koa ny tatavia ka mandeha mankany amin’ny lala-jaza ny fivalanan-drano. Maimbo mandavam-taona ilay ka hahiliky ny fiaraha-monina , na ny fianakaviany mihitsy aza. Simba ihany koa ny tranon-janany ka mety tsy hiteraka intsony izy na hiteraka zaza an-tsoso-koditra ka na tsy maintsy didiana na maty raha tsy fantatra izany. Maro koa ireo aretina mety ho azony nandritra ny fanolanana. Anisan’izany ny SIDA sy ny maro hafa . Mety hisy marary mandavan-taona koa vokatry ny takaitra. Tsy lazaina intsony ny vohoka tsy niriana sady tsy voahomana ka manjary vesatra ho azy sy ny fianakaviana. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fahavoazana ara-tsaina sy ny fihetseham-po izay miteraka tahotra, alahelo ,fahakiviana mandavan-taona hany ka manjary sakana eo amin’ny fifandraisana aman’olona, tokantrano,fianarana, asa…izany. Ny mahaolona azy mihitsy no simba tanteraka hoy hatrany Dokotera Fidy izay mitarika mankany amin’ny fahapotehan’ny fiainana iray manontolo mihitsy.
Pati
Legende : Dokotera Fidy Bariniaina !
Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.
Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009
Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny
Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo
Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny
Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara