airtel

Actualités

09-avril-2024

Vola azo tamin’ny « Motor show » Nahatratra 80 tapitrisa Ar,

nanampiana ankizy marary 200

Sample post image

Nitazona ny teny nomeny ireo mpikarakara ilay hetsika fampiratiana fiarakodia raitra dia ny «Motor show » notanterahana tetsy Mahamasina.

09-avril-2024

Nisy ny fanangonam-bola natao tamin’io hetsika io, izay nambaran’izy ireo fa izay azo dia entina hanampiana ireo ankizy marary amin’ireo Hopitaly lehibe 4 eto Antananarivo dia ny HJRA Ampefiloha, Hopitaly Befelatanana, Hopitaly Ambohimiandra, ary ny Hopitalin’ny ankizy etsy Tsaralalana. Nahangona 80 tapitrisa Ar ny fikambanana tao anatin’ireo 2 andro nandritra ny faran’ny herinandro paska, nanaovana ny fampiratiana, ka nentina nanampiana ankizy marary hatrany amin’ny 200 isa izany, ka omaly no nanoloran’izy ireo azy, izay nahitana fitaovana ilain’ireo ankizy, fanafody, fa teo ihany koa no natokana handraisana an-tànana ireo marary.
Nangonin’i Toky R

 

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap