airtel

Actualités

11-avril-2024

Volamena 450g voalaza fa tsy ara-dalàna

Tratran’ny “police des mines”, giazana eny amin’ny BFM

Sample post image

Volamena milanja 450 grama mahery fantatra fa manana taha-pahadiovana mihoatra ny 98% taorian'ny fitiliana teo

11-avril-2024

anivon’ny laboratoara no tratran'ny polisin'ny harena an-kibon' ny tany sy ny kaomisaria faha 5, boriboritany faha 4, ny faran'ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy nanana taratasy mazava fitazomana, fitondrana ary fivarotana volamena ny olona nahatrarana ireto harena an-kibon'ny tany ireto, hoy ny fanazavana. Tafiditra anatin'ny ady ataon'ny ministera amin'ny tsy fanarahan-dalàna mikasika ny harena an-kibon'ny tany ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny hetsika famongorana ny tsy ara-dalàna toy izao, hoy ny tale vaovao miandraikitra ny "Direction de la Police des Mines", ny kaomisera Rakotoarimanana Mamy Tiana. Eo am-piandrasana ny valin'ny fanadihadiana dia apetraka eny amin'ny Banky foiben'i Madagasikara ireo volamena tratra, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny eo anivon'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany manoloana ny tranga fahatrarana sy fanagiazana vato sarobidy sy volamena toy izao sy araka ny voafaritra ao anatin'ny lalàna. Ny vokatry ny fanadihadiana no hahafahana mamantatra izay lalana hizoran’ireto volamena tsy ara-dalàna sy izay mety ho tambajotra ambadik’izany. Manoloana izao fahatrarana volamena tsy ara-dalàna izao, miantso ny olompirenena ny tomponandraikitra hizara vaovao sy hitory raha sendra misy tranga mampiahiahy momba ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany mba ahafahana mijery izany ara-potoana sy handraisana andraikitra manoloana izany. Nifanindry an-dalana tamin'izany dia miantso ny mpisehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany hiroso sy hiditra ao anatin'ny sehatry ny ara-dalàna izay hany lalana maha-marin-toerana ny asa tanterahan’ny minisitera, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap