Nahatratrarana volamena 6kg saika haondrana an-tsokosoko tany ivelany tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly atoandro. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny Filohan'ny Fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael sy ireo tompon'andraikitra maro hafa. Tsy mbola nisy kosa ny tatitra mazava mikasika ny antony nahatrarana azy, fa ny Fiadidian'ny Repoblika no nanao ny "opération" na ny hetsika, raha ny nambaran'ny PRRM. Nambarany kosa fa efa tany anaty fiaramanidina no navoaka ireo volamena. Nahitsy ny PRRM nilaza fa tena misy tambajotra mampahantra Firenena ao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Miomana amin'ny fanamarihana ny 25 septambra 2025 isika, 11 volana izay ny nisian'ny Fitondrana fanavaozana kanefa mbola izao ny zava-misy, kanefa ny vahoaka Malagasy manantena fiovana. Raha ny fanadihadianay natao, hoy izy, dia in-droa isan-kerinandro ry zareo no manao izao. Vao ny tambajotra iray izay fa mbola tsy fantatra ny sasany hoe firy kilao isan-kerinandro, ka tokony hahantra ve ny Malagasy raha samy manao ny asany isika rehetra, raha mba samy tia tanindrazana kely ny olona, mba samy miaro ny harem-pirenena tsy hivoaka toy izao, hoy hatrany ny PRRM. Hentitra ny tenany nilaza fa efa hita ny caméra tamin'ny famoahana, misy mpiasam-panjakana tafiditra ka tsy any amin'ny biraom-panjakana no mendrika azy fa any am-ponja, ka ho arahiny hatramin'ny farany tena mbola ao am-ponja sa tsia, ary ho tahaka izany ihany koa ireo tratra tamin'ny raharaha volamena 16kg sarin'ny zandary vao tsy ela. Nambarany fa efa fantatra ny manao an'ilay izy, efa fantatry ny mpiasa, tsy mandalo "scanner" fa tonga dia "sous-douanes" na amin'ny lalana efa hiakatra fiaramanidina ilay olona no hampidirina azy ka nametrahany fanontaniana hoe: fa maninona no tsy nasiana rafitra hiadiana amin'izany hatramin'izay. Nilaza hametraka rafitra ao Ivato ny tenany, ary hametraka olona hisava hatrany amin'ny fidirana amin'ny fiaramanidina na iza na iza , na avy amin'iza na avy amin'iza. Niantefa manokana tamin'ny Ravinala Airports, ka nilazany fa 1500Ar/ora monja no hanaramana mpiasam-panjakana miambina ireo fiaramanidina kanefa ohatrinona no miditra amin'io orinasa io. Tsy hoe manamarina fa lasa mpanao kolikoly ny mpiasam-panjakana fa mba tokony hojerena, raha ny nambarany. Naneho fa hampiantsi ny Ravinala Airports ny PRRM.
Toky R
124 miliara dolara ho an’i Afrika, zara raha 406 tapitrisa dolara ny antsika
Niverina ofisialy omaly 15 septambra 2026