airtel

Actualités

16-juil-2026

Vondrona Afrikanina

sy Firenena Mikambana

Sample post image

Tsy mitsabaka, manampy sy manohana ny ezaka eto izahay!"

16-juil-2026

Eto Madagasikara ny delegasiona iraisan’ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny Firenena Mikambana (ONU), nanomboka ny 13 ka hatramin’ny 18 Jolay 2026. Hanohana ny ezaka nasionaly amin’ny fananganana dingana politika mirindra, azo itokisana ary mampiray feo, ho fanamafisana ny fiverenana amin’ny filaminana araka ny lalàmpanorenana. Mitarika ny iraka i Mohamed Idriss Farah, Ambasadaoro sy solontenan’ny Filohan’ny Vaomieran’ny UA ho an’i Madagasikara, ary i Parfait Onanga Anyanga, Solontena manokan’ny Sekretera Jeneralin’ny ONU eo anivon’ny UA sady lehiben’ny biraon’ny ONU eo anivon’ny UA. Nanatevin daharana azy ireo koa i Marcel Akpovo, talen’ny faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo ao amin’ny HCDH (Haut Commissariat des Nations Unies aux droits de l’homme), miaraka amin’ireo manampahaizana avy amin’ny UA sy ONU. Ao anatin’ny fiaraha miasa stratejika eo amin’ny UA sy ONU ity fitsidihana ity, izay mikendry ny fisorohana ny fifandirana, fanamafisana ny fandriampahalemana, fanohanana ny fitondrana mirindra ary fanohanana ny tetezamita politika manaja ny fandraisan’anjaran’ny rehetra. Mandritra ny fijanonany eto an tanindrazana, mifampidinika amin’ny manampahefana nasionaly, rafi-panjakana, ny mpanao politika, ny filoha teo aloha, ny firaisamonim-pirenena, ny solontenan’ny vehivavy sy ny tanora, ny hetsika olom pirenena, ny mpitondra fivavahana, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara miombon’antoka iraisam pirenena ny delegasiona. Tanjona ny hihaino ireo herivelona rehetra, hanangona ny fijerin’izy ireo momba ny toe draharaha ankehitriny, hamantatra ireo singa mampitombo fitokisana sy fifanarahana, ary hijery ny fepetra sy rafitra mety hanamora ny fizotry ny politika mirindra sy azo itokisana, ho fanatanterahana ny fehin dàlana momba ny fanavaozana. Nohamafisin’ny UA sy ONU fa manaja tanteraka ny fandraisana andraikitra nasionaly izy ireo. Ny andraikiny dia ny hanampy sy hanohana ny ezaka tarihin’ny Malagasy, mba hahazoana antoka ny faharetany sy ny fanamafisana azy. Farany, nanamafy ny UA sy ONU fa hijoro hatrany hanohana an’i Madagasikara amin’ny ezaka ho an’ny fandriampahalemana, fampihavanam-pirenena, ny fitondrana mirindra, ny fampandrosoana maharitra ary ny zon’olombelona, ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy manontolo. Hampihena na hanalefaka ny saziny ary ve ny UA? Misy kajy politika hanehoana sary ratsy noho ny dian'ny sehatra Iraisam-pirenena ny fanakorontanana, vono olona,... nahery vaika tato ho ato?
Toky R

 

Dans la même rubrique