Mandalo fotoan-tsarotra ny fitantanana ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe, Renivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Tsy manana Ben'ny tanàna efa roa volana mahery izao. Tsiahivina fa nametra-pialana ny 11 Mey 2026 ny Ben'ny tanàna tao Antsirabe, Dr Rasamimanana Honoré Gabriel (Dr Unoh). Ny Lefitra lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, ny kolonely Rakotoson Rolland no nitantana vonjimaika nanomboka ny 18 Mey 2026 nanaovana ny famindram-pitantanana. Nodimandry ny sabotsy 18 jolay 2026 teo ity farany rehefa nolazoin'ny aretina fotoana naharitra. Ny lefitra faharoa ny Ben'ny tanàna ihany dia voatendry tamin'ny filankevitry ny minisitra hitana andraikitra hafa ao Vakinankaratra. Ny lefitra fahatelo no sisa. Tsy manana Sekretera jeneraly ny Kaominina rehefa voafidy ho Mpanolotsaina Monisipaly ary lasa filohan'io rafitra io ny tompon-toerana. Ny lefitra fahatelo ny Ben'ny tanàna no hany sisa amperin'asa amin'ny ekipan'ny mpanatanteraka. Voafetra anefa ny asa azony atao, mba tsy hilazana fa tsy mahefa indrindra amin'ny lafiny ara-bola. Be ny asa mikatso noho ny vola tsy tafavoaka fa tsy misy mpanao sonia. Misy fiantraikany amin'ny fampandehanan-draharaha ny Kaominina io fahabangana io. Manomboka sahirana amin'ny fandraofana fako ihany koa ny Kaominina nefa vanim-potoana fialantsasatra izao. Sahirana amin'ny fandoavana karaman'ny mpiasa sy ny an'ireo mpamatsy fitaovana iasana ihany koa ny Kaominina. Ny sabotsy 20 jona 2026 nandritra ilay hetsika Fanadiovana Faobe natao nanerana ny Nosy no efa nandeha ny feo fa tsy ho ela ny fanendrena ny PDS hitantana ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe. Iray volana aty aoriana, tsy mbola nisy fanendrena. Vonjeo Antsirabe hoy ny mpiasa, fa aza avela hanjakan'ny gaboraraka sy ny kolikoly.
Jean D.