airtel

Actualités

15-mars-2024

ZAVA-PISOTRO VITA AMIN’NY COLA

Miala any ny Racines vokarin’ny Star

Sample post image

Betsaka ireo olona mihinana Cola eto amintsika indrindra fa ny lehilahy.

15-mars-2024

Antony nanaovan’ny orinasa Star famoronana sy fikarohana manokana izany ka nanamboarainy zava-pisotro mifandraika amin’ izany izay nampahafantarina ny mpanao gazety omaly teny amin’ny foiben-toerany eny Andraharo. Racines no anarany izay zava-pisotro vita amin’ny COLA. Maro be ireo karazana zava-pisotro toy ny dite, na ranom-boankazo na koa ny « smoothie » izay vita avy amin’ny Cola hankafizin’ny olona eto amintsika ka tafiditra ao anatin’izany ny mpifankatia. Zava-pisotro na « cocktail » ahitana tahan’alikaola 5,5% izy ity ka ankoatra ny Cola izay nanamboarana azy dia ahitana singa fangarona Artemesia ihany koa ao anatiny. Zava-pisotro avy amin’ny zava-maniry araka izany ny RACINES izay porofoin’io anarana nampitondraina azy io. Efa tazana eny amin’ny mpivarotra mahazatra manomboka amin’ity herinandro ity moa io karazana zava-pisotro io amin’ny vidiny 2500 Ar.
Pati
Legende : Miala any ny Racines, zava-pisotro vaovaobe vita avy amin’ny Cola !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap