airtel

Actualités

28-mars-2024

Zaza 10 taona notambazana bisokoitra sy coca

Nasain’ilay vazaha nidio dia naolany avy eo

Sample post image

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

28-mars-2024

Zazavavy kely iray manodidina ny 10 taona no fantatra fa nalaina teratany vahiny iray ankehitriny ary naolany avy eo tao amin'ny Fokontany Nosikely kaominina Ambonivohitr’i Morondava ny 22 Martsa lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nahatsikaritra fiovam-pihetsika tamin'ilay zazavavy ny mpitaiza azy ka nanontany azy ny zavatra mahazo azy. Tsy niteny na nilaza izay nanjo azy anefa ilay tsy manan-tsiny napa-kevitra ny hitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana ilay renim-pianakaviana mba hanaovana ny fitiliana. Tamin'izany no nahafantarana fa efa simba ilay ankizivavy kely. Rehefa nanotaniana ny antony nahatonga izany izy dia nilaza fa nisy vazaha iray naka an-keriny azy ary noentin’itsy voalohany tao an-tranony izy. Notambazany bisikoitra sy zava-pisotro coca ilay zaza nandritra izany ary nasainy nidio. Nisotro ilau coca amin’izay taorian’izany hoy ny vaovao no sady nampijereny horonantsary mamoafady. Raha fantany vao nisotro ilay coca anefa ilay zaza raha ny fitantarany dia nalemy sy tsy nahatsiaro tena intsony izy. Ny zavatra tsaroany farany dia ilay vazaha nampiditra ny filahiany tao am-bavany hoy hatrany izy. Rehefa natsiaro tena izy araka ny voalazany dia nomen'ilay vazaha vola 5.000 Ariary ary norahonany tsy hiteniteny raha tsy izany dia vonoiny. Tsy nijanona tamin'io ihany anefa izany fa mbola naveriny nanamparany ny filan-dratsiny ilay zaza taorian'io. Taorian'ny tany amin'ny dokotera, dia nandeha tany amin'ny Fitaleavam-paritry ny mponina nanao fitarainana ny fianakaviany ka nandray andraikitra avy hatrany iretsy voalohany ary nitondra ilay zaza teny amin'ny mpitandron'ny filaminana teo anivon'ny zandary ary. Efa voasambotra moa ilay vazaha ary fantatra fa hiakatra fampanoavana atsy ho atsy. Efa fanaon'io vazaha io sy ny namany hoy ny vaovao ny mamiravira ankizivavy ao Morondava hatrany Belo sur Mer.
Pati
Legende : Manjaka sy manimba zazavavy kely ny vazaha eto Morondava !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap