airtel

Actualités

12-mars-2024

ZAZA 10 TAONA SAIKA VOAOLANA

Notambazan’ilay tsy mataho-tody 1.000 Ar

Sample post image

Lehilahy lehibe iray efa niala pataloha ny harivan’ny Zoma 08 Martsa

12-mars-2024

teo tokony ho tamin’ny 07 ora no tratra saika hanolana zazavavy kely vao 10 taona monja tao an-dakozia tao Manakana Lokoho, distrikan’i Sambava. Niditra tampoka ny Renin’ilay zaza nandritra izany ka vetivety dia tratra ilay Rangahy. Nilaza ity farany fa tsy nanolana io zaza io fa sitrapon’izy ireo, hono , no niaraka rehefa nohadihadian’ny sefom-pokontany izay nantsoin’ny Renin’ilay zaza nampahafantarina ny tranga voalohany. Efa nomeko vola 1.000 Ar izy hoy ilay Rangahy ho takalon’izany. Efa naterin'ny sefom-pokontany tany amin'ny biraon'ny Ben'ny tanàna moa ilay rangahy ka andrasana ny zandary izay handray azy mba hahafahana manokatra fanadihadiana. Efa mandeha araka ny rafitra tokony hitondrana azy ny raharaha hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay ny vaovao. Vao kilasy T2 moa ity zaza saika voaolana ity izay marihina fa mampigadra ny mpanolana mandrapahafaty raha voaporofo satria mbola latsaky ny 15 taona.
Nangonin’i Pati
Legende : Misy trangana fanolanana matetika koa eto Sambava !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap