airtel

Actualités

14-août-2026

ZAZA NISY NANARY

TENY ANKADIKELY ILAFY

Sample post image

Efa hita ireo Ray aman-dReniny

14-août-2026

Tsy niandry ela fa afak'omaly Alarobia 12 Aogositra hariva ihany dia efa hita ny Ray aman-dRenin'ilay zazavavy kely vao amam-bolana nisy nanary teny Ankadikely Ilafy, distrikan'Avaradrano. Raha tsiahivina kely dia manodidina ny 3 na 4 volana eo ho eo izy io. Olona sendra nandalo handeha hiasa no nahita azy teny amin'ny barazin' Andriambato eo anelanelan'Andranovelona sy Antsampandrano. Avy hatrany dia noraisin'ny Sampan-draharahan'ny Polisy miaro ny zaza tsy ampy taona sy miady ny heloka mamoafady ao amin'ny kaomisarian'i Sabotsy Namehana ny raharaha. Izy ireo no nikarakara ilay zaza sy nitady ireo Ray aman-dReniny raha ny kaominina Ankadikely Ilafy kosa no niantoka ny biberon sy ny ronono nomena ilay zaza. Loharanom-baovao azo moa ny hoe : ankizy handeha hilalao no nitondra io zaza io. Na izany aza mbola ao anatin'ny fanadihadiana lalina hatramin'ny omaly ireo mpitandro ny filaminana koa andrasana izay mety ho tohin'ny raharaha.
Pati


Légende : Ity ilay zaza tsy manan-tsiny kely !
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap