airtel

Actualités

22-juin-2026

Zone Forello-Tanjombato

Nomena fampitandremana

Sample post image

ilay orinasa manetroka mainty

22-juin-2026

Orinasa iray ao amin’ny zone Forello-Tanjombato no nomen'ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy fampitandremana noho ny setroka mainty maloto avoakany, mandoto rivotra iainana. Nidina nanao fitsirihana teny an-toerana avy hatrany ny Minisitera, niaraka tamin’ny solontenan’ny Kaominina Tanjombato, ny zoma 19 jona 2026, taorian’ny fitarainana voaray momba ny famoahana setroka maloto avy amin’ilay orinasa. Nandritra ny fitsirihana no nahitana tsy fetezana teo amin’ny fiasan’ny chaudière ampiasain’ny orinasa, ary koa ny fisian’ny fako taratasy sy plastika tao an-toerana. Ireo antony ireo no voalaza fa nahatonga ny famoahana setroka mainty izay nandoto ny rivotra manodidina. Neken’ny tompon’andraikitry ny orinasa avokoa ireo lesoka ireo. Nodidiana tsy maintsy manarina ny tsy fahatomombanana rehetra ao anatin’ny 30 andro ilay orinasa mba hampitsaharana ny fandotoana ny rivotra.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap