ofisialy ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiadiana amin’ny lefakozatra sy ny kitrotro omaly ny fanohanan’i Etazonia ny ezaka tarihin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Araka ny nambaran’ny Lefitry ny Masoivoho mpisolo toerana, Steve Bremner, dia aretina azo sorohina amin’ny vaksiny ireo aretina roa ireo, ka zava-dehibe ny hahafahan’ny ankizy rehetra misitraka fiarovana manerana ny Nosy. Manitatra ny dingana voalohany natao tany amin’ireo distrika nahitana tranganà lefakozatra ity hetsika ity, ary mikendry izao ny hahatratra ny ankizy manerana an’i Madagasikara. Tanjona ny hisorohana ny fiparitahan’ny aretina sy hanafoanana tanteraka ny lefakozatra amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny faobe. Manohana ara-teknika ny fampielezan-kevitra ny tetikasa GPEI sy STRIDES, indrindra amin’ny alalan’ny rafitra « Lot Quality Assurance Sampling » (LQAS). Ity fomba fanaraha-maso ara-statistika ity dia ahafahana manamarina raha tena voavaksiny ireo ankizy kendrena sy mamantatra ireo faritra mbola mila fitsabahan’ny ekipa mpanao vaksiny, ka miantoka ny fahamarinan’ny vokatra azo. Nohamafisina ihany koa fa mifanaraka amin’ny America First Global Health Strategy ny fanohanan’i Etazonia, izay mifototra amin’ny fiaraha-miasa sy ny tamberin’andraikitra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Taorian’ny fifanarahana nosoniavin’i Madagasikara sy Etazonia tamin’ny desambra 2025, anisan’ny tanjona iombonana ny fanafoanana ny tranga vaovao ateraky ny lefakozatra sy ny fanamafisana ny fahaizan’ny firenena mamantatra sy mamaly haingana ny valanaretina. Nankasitrahan’i Steve Bremner ny ezaky ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ary nantsoiny ny ray aman-dreny hitondra ny zanany hanao vaksiny, na dia efa vita vaksiny aza izy ireo teo aloha. Tanjona ny hanafoanana tanteraka ny lefakozatra sy ny kitrotro eto Madagasikara, izay efa nisy fanambarana ofisialy tany aloha, saingy niverina tao anatin’ny fitondrana volomboasary.
Toky R
Legende : Steve Bremner, Lefitry ny Masoivoho Amerikanina mpisolo toerana