voaresaka matetikia ny fanomezana rà kanefa tena miantoka aina. Maro ireo ivontoerana famindrana rà ra ho an'i Antananarivo manokana, ireo hopitaly misy fandidina dia misy izany avokoa ho an'ireo hopitalim-panjakana. Raha ny zava-misy ankehitriny dia mbola ampy saomatsara ireo tahiry fa miankina amin'ny sokajin-drà izay tadiavin'ny marary no anomezana azy. Ireo marary tratry ny fahaverezana rà be loatra no tena mila rà toa ireo voa lozam-pifamoivoizana na ireo vehivavy very rà be loatra teo am-piterahana fa eo ihany koa ireo tratry ny aretina mehery toy ny tazo mahery . Izany anefa dia miankina tanteraka amin'ireo mpitsabo mitsabo ilay marary. Tsy vidiana ny rà hoy ny tomponandraikitra fa ho an'ireo izay marary manaraka fitsambona eny amin'ireo hopitalim-panjakana izay ahian'ny minisiteran'ny fasalamambahoaka dia ny kitapon-drà iray izay alain'ny marary dia soloina olona roa izany izany hoe mitondra olona roa halaina rà ilay marary anoloana ilay kitapon-drà nalaina. Ho an'ireo izay manaraka fitsabona eny amin'ireo hopily tsy miankina kosa dia mando ny saran'ireo kotsakoja sy ireo fitikiana izay natao tamin'ilay rà. Ny fitiliana ny sokajin-drà sy ireo aretina izay mifindra amin'ny alalàn'ny rà toy ny HEPATITE B, HEPATITE C, SIDA, SYPHILIS, PALUDISME no fitiliana hatao amin'ny santionan-drà avy amin'ilay olona manome rà.Tsy vidiana ny rà kanefa dia azo avy amin'ny olombelona , mbola vitsy dia vitsy ireo tonga manome rà antsitrapo ka anentanana ny rehetra hoy hatrany ny fanazavan'i Dr Rasoarimalalanarivo franche Barnia Tomponandraikitra ny fitaleavana misahana ny famindrana rà.
18 HATRAMIN'NY 60 TAONA
Ireo izay salama tsara sy tomady , feno 18 taona hatramin'ny 60 taona izay milanja 50 Kg fara fa ahakeliny , tsy mandray zava-mahadomelina , tsy mampinono , tsy tonga fadimbolana ho an'ny vehivavy dia afaka manome rà avokoa. Raisin'ny ivon-toerana famindrana rà avokoa ny sokajin-dra rehetra hoy ny tomponandraikitra ka entanina isika rehetra ho tonga hanome rà ho famonjena ny hafa.
Fanadihadiana nataon-dRAMIARANTSOA NOMENA NARINDRA