airtel

Fahasalamana

20-janv-2026

GRIPA HAFAHAFA

Betsaka indray ireo voany

Sample post image

Ankoatra ilay aretina nendran-drajako

20-janv-2026

izay hatahoran'ny olona fatratra ankehitriny dia fantatra ihany koa izao fa betsaka ireo olona tratry ny gripa hafahafa tonga manatona tobim-pitsaboana amin'izao. Mavesatra sy marary ny loha, reraka sy fanina no sady malain-komana ilay marary. Misy koa ireo tsentsin'ny sery. Tsy hanavahana sokajy io aretina io na kely na lehibe fa lasibatra avokoa no sady mifindra hainganabe amin'ny mpianakavy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny mpitsabo iray dia ireo tsy dia ampy sakafo nefa rera-batana sy rera-tsaîna no tena hataon'ity gripa hafahafa ity mahita faisana. Toraka izany koa ireo voasokajy ho marefo. Ny fampiakarana ny hery fiarovana ihany moa no tena vahaolana ho enti-miady amin'ny karazan'aretina tahaka itony hoy hatrany ny mpitsabo arahin'ny fanaovana arovava orona sy ny fanajana ny elanelana. Tokony hatory ora fito isan-kalina ny olona iray raha kely, mihinana sakafo ara-pahasalamana sy maro loko koa, misotro rano 1 litatra sy tapany isan'andro ary manatona tobim-pitsaboana avy hatrany raha vantany vao mahatsiaro ho hafahafa. Farany izay tsy kely akory dia entaniny ihany koa ny tsirairay mba hanao fitafiana mifanaraka amin'ny toetr'andro ho fitandroana ny fahasalamana.
Pati
Légende : Betsaka ireo olona tonga manatona dokotera amin'izao !
 

Dans la même rubrique