airtel

Fahasalamana

01-sept-2022

Fahasalamana

HOPITALY BEJOFO MAHITSY Misy hatrany ilay fitsaboana amin’ny alalan’ny tsindrona volamena

Sample post image

Misy hatrany ilay fitsaboana amin’ny alalan’ny tsindrona volamena ao amin’ny hopitaly Bejofo Mahitsy. Misy ihany koa ny fitsaboana hampiasaina ny vantozy, raha araka ny vaovao azo.

01-sept-2022

Fantatra izany nandritra ny varavarana misokatra nanomboka omaly tanterahina ao amin’ity hopitalibe ao Mahitsy ity haharitra 3 andro. Ankoatra ny fanaovana fitarafana maimaim-poana dia misy ihany koa ny fitsaboana sy fanalana nify, ny fandidiana….Raha araka ny fantatra hatrany moa dia efa 40 taona ny niarahana niasa tamin’ireo dokotera Sinoa ireo dokotera miasa eo anivon’ity hopitaly ity. Voky sy ampy traikefa tsara izy ireo amin’ny ankapobeny saingy mbola tsy ampy. Miisa valo mantsy ireo dokotera ao an-toerana ka ny telo ihany no mpandidy raha mitontaly 75 isa ireo mpiasa rehetra. Tamin’ny taona 1902 moa no niorina ny hopitaly ao Bejofo Mahitsy.
Pati
Legende : Ny hopitalibe ao Bejofo Mahitsy. 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy ny lehibe ihany no mahita faisana vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Vih/SIDA

Card image cap
08-mai-2024

Mirongatra fatratra ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Moramanga.

Card image cap
07-mai-2024

Tsy hanaiky intsony fa hanenjika ireo infirmiera sandoka manerana ny Nosy ny holafitry ny infiermiera eto

Card image cap