airtel

Fahasalamana

18-juin-2026

KAOMININA TALATAMATY

Zazalahy kely 160 isa noforaina maimaimpoana

Sample post image

Zazalahy kely miisa 160 no

18-juin-2026

noforaina maimaim-poana tao amin'ny kaominina Talatamaty, Distrikan'Ambohidratrimo ny faran'ny herinandro teo. Vokatry ny ezaka nataon'ny kaominina sy ireo mpanolontsaina notarihin'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic no angady nananana sy vy nahitana izany entina hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka. Avy amin'ny Fokontany miisa 12 izy ireo sady mbola notolorana malabary sy kilalao ihany koa. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa mahatratra 400.000 Ar eo ho eo amin'izao ny manao didim-poitra zazalahy kely iray amin'ny fomba Amerikana, miankina amin'ilay dokotera mandray an-tanana na tobim-pitsaboana tsy miankina. Mbola ankoatra io sora-bola io ny kilalao sy ny malabary ankoatra ny fanomezana sakafo ireo olona hasaina raha misy. Izany indrindra no antony nanosika ny kaominina Talatalamaty hifanome tanana amin'ireo mponina ao aminy. Nambaran'ny Ben'ny tanana Elie Dominic moa fa mbola hitohy amin'ireo hetsika marolafy isan-karazany izany entina hamalifaliana ny vahoaka. Ny podium no tsy hisy vokatry ny fandrindrana ny ara-bola eo anivon'ny kaominina fa ny fandefasana afo manga, ny fizarana fanampiana ho an'ireo marefo sy sahirana dia hisy avokoa.
Pati
Légende : Santionany tamin'ireo kilonga madinina natao didim-poitra maimaim-poana !
 

Dans la même rubrique

18-juin-2026

Anisan'ny sehatra mbola tsy tena

Card image cap