Mihabetsaka isan'andro ireo olona fantatra fa marary maso eto amintsika. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany fa saika lasibatra avokoa ny rehetra vokatry ny firoboroboan'ny teknolojia. Tafiditra ao anatin'izany hoy Dr Hary Rakotondratrema, tompon'andraikitra eo anivon'ny Espace Santé Saint Michel etsy Andravoahangy ny filalaovana finday sy solosaina bé loatra ka tokony hametrahana fitsipi-pifehezana. Ho an'ny ankizy mpianatra manokana dia nomarihiny fa tokony ho ora iray isan-kerinandro ihany izy ireo amin'izao sisa no mampiasa finday raha tsy maintsy manao izany. Tokony hampirimin'ny Ray aman-dReny kosa hoy izy ireo karazana jeux....mba hahafahan'izy ireny mifantoka amin'ny fianarana. Miteraka tsy fifantohana sy mampihena ny fitadidiana mantsy ny areti-maso mety aterak'izany. Nomarihiny fa mety harary an-doha lava, maloiloy, ...ny olona marary maso, fomba fitrangan'ny aretina voalohany. Tsy tsara araka izany hoy izy raha any anaty tambajotran-tserasera no manontany dokotera ny marary iray fa ny tsara indrindra dia ny manatona avy hatrany mba tsy hanaotao foana.
Pati
Légende : Ny dokotera Hary Rakotondratrema !