airtel

Fahasalamana

24-mars-2022

Fahasalamana

Minisiteran’ny fahasalamana Raikitra ny grevin’ny mpiasa sy mpandraharaha

Sample post image

Nitokona nanomboka omaly Alarobia 23 Martsa ireo mpiasa mpandraharaha rehetra eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

24-mars-2022


Tetsy amin’ny tokontany malalaky ny hopitaly HJRA Ampefiloha no nanatanterahany izany, ka nilazan’izy ireo fa fitakiana efa naharitra 12 taona izao averiny izao ary tsy hamelany intsony raha tsy ahitany vokatra azo tsapain-tanana. Lohalaharana amin’ireny ny fitakiana ny amin’ny tokony handrafetana ny volavolan-dalana manatsara ny karama raisin’izy ireo isam-bolana sy ny tambin-karamany ankoatra ny fanatevenana ny resaka fiofanana. Toraka izany ihany koa ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpiasa an-tselika izay miasa andro aman’alina tokoa nefa tena kely karama. Tsy hijanona moa ny fitokonan’izy ireo raha tsy mivaly ny fitakiany hoy hatrany Atoa Toussaint mpitondra tenin’izy ireo. Ny sampana hiankinan’ny aina sy ny tranom-paty sisa araka izany no hany misy mpiasa ho an’ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha sy ireo hopitaly rehetra manerana ny Nosy. Tsy misy intsony kosa ny mpanadio birao, ny mpivarotra eny anivon’ny toeram-pivarotam-panafody…asa hiandraiketan’ireo mpiasa mpandraharaha mitokona ireo. Ny ankoatra izay tsy misy mpiasa intsony. Ny mba hahatsapan’ny Fitondram-panjakana ny andraikitra tokony horaisiny moa no tanjon’ireto mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ireto. Ankoatra ny resaka fampianarana mantsy dia marary ihany koa ny sehatry ny fitsaboana eto amintsika nefa tena samy hiankinan’ny aim-bahoaka avokoa.
Pati
Legende : Raikitra ny fitokonana !
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy ny lehibe ihany no mahita faisana vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Vih/SIDA

Card image cap
08-mai-2024

Mirongatra fatratra ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Moramanga.

Card image cap
07-mai-2024

Tsy hanaiky intsony fa hanenjika ireo infirmiera sandoka manerana ny Nosy ny holafitry ny infiermiera eto

Card image cap