sy liana amin’ny fahasalamana
Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 21 martsa 2027, ao amin’ny CCI Ivato, ny andiany voalohany amin’ny « Salon de la Santé et du Bien-être ». Hetsika lehibe hampivondrona ireo matihanin’ny fahasalamana, andrim-panjakana, orinasa, fikambanana ary ny olon-tsotra, ka ny fampiroboroboana ny fisorohana ny aretina sy ny fomba fiaina mahasalama no anisan’ny tanjona fototra. Mifototra amin’ny tanjona dimy : fampahafantarana, fanabeazana, fisorohana, fanasongadinana ary fampifandraisana ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana. Tsy natokana ho an’ny matihanina ihany izy ity, fa sehatra misokatra ho an’ny rehetra, hahafahan’ny tsirairay mahazo vaovao azo itokisana sy mahita vahaolana hanatsarana ny fahasalamany sy ny fomba fiainany. Hanohana ity andiany voalohany ity ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Fanajariana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy miankina, Fizahantany sy ny Asa-tanana, Mponina sy ny Firaisankina ary ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Mahatratra 250 ny tranoheva ho hita eny, ka vinavinaina hahatratra 5 000 ny mpitsidika mandritra io telo andro io. Hisy sehatra samihafa, anisan’izany ny Village Santé & Innovation, Village Santé de l’Enfant, Village Nutrition ary Village Bien-être & Sport. Ho an’ny besinimaro sy ny matihanina samihafa izany, ka tafiditra ao ny fianakaviana, tanora, zokiolona, mpianatra, mpanao fanatanjahantena, mpiasan’ny fahasalamana, orinasa, ONG, fikambanana ary ireo mpisehatra amin’ny sakafo, fanatanjahantena sy fahasalamana, ireo manam-pahaizana, ny tompon’andraikitra ara-panjakana,… Anisan’ny lohahevitra hodinihina ny fanamby ara-tsakafo, ny fahasalamana eny amin’ny toeram-piasana ary ny laharam-pahamehana sy ny fampiasam-bola hananganana ny fahasalamana rahampitso. Ankoatra izany, hisy fitiliana sy fizahana ara-pahasalamana, torohevitra avy amin’ireo manam-pahaizana, hetsika ara-panatanjahantena ary fampahafantarana momba ny fahasalamana sy ny fahasalamana ara-tsaina. Ny Impact Events no mikarakara ity Salon de la Santé et du Bien-être ity. Raha ny fanazavan’ny mpikarakara dia kendrena ny hamadihana ity hetsika ity ho sehatra ahafahan’ny olona mahazo fahalalana, mifandray amin’ireo mpisehatra ary mandray fepetra ho fiarovana sy fanatsarana ny fahasalamany.
Solotiana
Legende : Mme Ramamonjisoa Onja Co fondatrice Agence Impact Events, Mme Laélia Dijoux Co fondatrice.