airtel

Fahasalamana

26-mai-2026

Sambo hopitaly MERCY SHIPS

Marary 1200 indray

Sample post image

no hisitraka fitsaboana sy fandidiana maimaimpoana

26-mai-2026

Tonga eto Madagasikara, ao Toamasina, indray ilay sambo-hôpitaly Africa Mercy an’ny Mercy Ships. Ho an’ity fahatongavany amin’ity taona ity dia marary maherin’ny 1.200 no hisitraka fitsaboana sy fandidiana maimaimpoana. Ankoatra ireo ny fanofanana sy fampitana fahaiza-manao ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ary koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana Malagasy ho fanatsarana maharitra ny rafitra ara-pahasalamana. Hatramin’ny 1996 nanombohan’ny fiaraha-miasa teo amin'ny governemanta Malagasy sy ny Merci Ships dia maherin’ny 7.700 ny fandidiana vita, maherin’ny 57.000 ny fitsaboana nify sy ativava natao. Mpiasan’ny fahasalamana Malagasy an’arivony no efa nahazo fiofanana sy fanamafisana ny traikefa. Tsiahivina fa ny fandidiana maimaimpoana ho an’ny aretina sarotra (tarehy, fivontosana, sns), fitsaboana nify, fanadihadiana sy fitsirihana ara-pahasalamana ary koa fikarakarana sy fitsaboana mifanaraka amin’ny tranga voafantina no tolotra lehibe entin'ny Mercy Ships ka natao indrindra ho an’ireo olona sahirana sy mila fitsaboana.
Nangonin'i Jean D.
Maro ireo marary nisitraka fandidiana maimaimpoana tamin'ny Merci Ships
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Hisy fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana ao

Card image cap