airtel

Fampianarana

03-mars-2026

ASANAI

Tanora 235 miditra ao anatin'ny tontolo nomerika

Sample post image

Tanora miisa 235 no tafiditra tamin’ny

03-mars-2026

fomba ofisialy ao anatin’ny fandaharan'asa ASANAI omaly Alatsinainy 02 Martsa , ary manomboka ny diany ho amin’ny sehatry ny asa nomerika. Mizara amin’ireo toerana mpiara-miombon’antoka telo izy ireo, izay samy mandray anjara amin’ity dinamika nasionaly ity. Anisany ny Etech Consulting, ny ESTI notanterahina tao amin'ny Kianja Barea. Mizara ho dingana roa lehibe ny fandaharam-potoana arahina. Omaly 0 2 Martsa ka hatramin'ny 30 Aprily dia misy ny fiofanana mifantoka amin’ny fahazoana traikefa.Ny 16 Mey hatramin'ny faran’ny volana Jona dia hiditra an-tsehatra sy fanazarana any amin’ny orinasa ireo nahavita ny fiofanana. Ny volana Aogositra 2026 ho avy izao no hanokafana ny fandraisana ny andiany faharoa. Tsy fiofanana tsotra ny ASANAI raha tsiahivina fa natao ho tetezana mivantana mampifandray ny fahaiza-manao sy ny fahafahana miasa.Hitohy mandritry ny herinandro ny fanaraha-maso eny ifotony, hijerena ny fandrosoan’ny fiofanana sy hanohanana ny fitomboan’ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara.
Pati
Légende : Ireo tanora voafantina hiatrika ny fiofanana !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Diso ny filazana fa hisy fandroahana faobe ! Tsy maintsy mpianatra ara-dalàna kosa!»

Card image cap
05-mars-2026

Mahasarika mpianatra sy Ray aman-dReny marobe

Card image cap