Hotanterahana rahampitso zoma 08 mey 2026 any Moramanga ny fanombohana ofisialy ny fandraisana mpiasa na « recrutement » eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Tsy nisy nandritry ny 4 taona io raha ny fanamarihana, fa izao fitondrana izao no namaha olana. Tany Toliara ny 17 aprily 2026 lasa teo no efa nilazan’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry fa hafainganina ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, ary hanao ny fomba rehetra hahafahana manao izany ny tenany na ho an’ny fandresen-dahatra eo anivon’ny governemanta, na eo anivon’ny Minisiteran’ny vola, na koa departemanta hafa. Notsiahiviny ny tarehimarika, fa 590 ny « postes budgétaires » tamin’ny 2023, ka 434 no efa eo am-pelatanan’ny BIANCO noho ny raharaha kolikoly, saingy tsy voatery hiandry an’izany fa alefa izay azo alefa. Ny ambiny sy ireo fanampiny tamin’ny 2025 (250 postes) sy 2026 (200 postes) dia ho ampiasaina avy hatrany. Hifanindran-dàlana amin’ny fanombohana ofisialy ny fandraisana mpiasa any Moramanga ion y fitokanana efitranon-tsekoly miisa 4 sy fizarana fitaovana toy ny dabilio sy ny maro hafa. Anisan’ny tanjona eo anivon’ity Minisitera ity moa ny hanaporofo fa tena andry iankinan’ny Firenena ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ka mihazakazaka ny tetikasa maro samihafa entina hanomezana tan-tsoroka ny mpianatra sy hanatsarana ny fahaiza-manao hiatrehana ny sehatry ny asa aoriana.
Toky R