airtel

Fampianarana

30-oct-2025

MINISTERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

Miantso ny Ministra

Sample post image

hijery ireo tena maharary ny mpampianatra

30-oct-2025


Tonga nivondrona sy niray feo tetsy amin'ny tokontany malalaky ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena Anosy omaly Alarobia 29 Oktobra ireo mpanabe mivondrona ao amin'ny MMI ( Mpanabe Manova Ifotony ). Taorian'ny nanendrena ny Ministra mpiahy azy ireo vaovao mantsy dia nahatsapa izy ireo fa tsy olona no olana fa ilay fahaizana mihaino sy mandray an-tanàna ny olan'ny mpanabe mihitsy manomboka eny amin'ny sekoly ambaratonga fototra izany ka hatrany amin'ny Lisea. Tolo-tanana no andrasanay hoy Santa Rakotonomenjanahary, mpandrindra eo anivon'ny MMI dia ny fihaonana mivantana amin'ny Ministra izany. Ankoatra ny fampiakarana ny karaman'ireo mpanabe izay fantatra fa tsy mifanaraka intsony amin'ny vidim-piainana moa dia hangatahin'izy ireo ihany koa ny tsy hanaovana ankilabao azy rehefa misy fakan-kevitra hatao. Ny mpanabe mantsy hoy izy no mampiakatra ny lentan'ny Fanabeazana.
Pati
Légende : Ireo mpampianatra tonga tetsy amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena omaly !
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

Vaky vava manoloana ny tsy fikajiana fananana iombonana

Card image cap
25-août-2026

nihatsara ny fahadiovan'ny fanadinana

Card image cap
25-août-2026

6 isaky ny Fari-piadidiam-pampianarana

Card image cap
25-août-2026

Hisolotena an'i Madagasikara ny ekipa CERISE

Card image cap