airtel

Fampianarana

13-mai-2026

Pr Jonah Ratsimbazafy

Mizara ny tsiambaratelon'ny fahombiazana

Sample post image

Mpampianatra mpikaroka isan'ireo Malagasy

13-mai-2026

fantadaza manerantany, indrindra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, i Pr Jonah Ratsimbazafy. Mivezivezy eran'izao tontolo izao izy, mahita ny zava-misy any ivelany any ary mampitaha izany amin'ny zava-misy eto Madagasikara. Mbola nanamafy indray izy tamin'ny ranty nataony fa betsaka ny firenena kely sy bitika tsy manana ny harena ananan'i Madagasikara akory fa tsy ho resintsika mihitsy eo amin'ny lafiny maro. Noraisiny ohatra amin'izany i Soisa. Satria nahoana ? "Mahay ny olona ary mampiana-janaka ny olona. Manaja lalàna ary mifanaja sy mahay mifampifehy. Tia madio, tsy tia kolikoly... Dia hisy hiteny foana eto, hoy izy, fa io toetsaina io mila hovaina... Aleo hiandry fikaonandoham-pirenena, sns. Notsiahivin'i Pr Jonah Ratsimbazafy fa "Iza no mpitondra tsy niteny teto hoe : Mila miova ny toetsaina fa niova ve ?" Aminy, "na tsy hanao na inona na inona aza ny mpitondra eto fa miezaka ho modely amin'ny zavatra vitsivitsy tsara dia tsy mila polisy miambina lava etsy sy eroa izany". Lesona tsoahina amin'izany, hoy i Pr Jonah Ratsimbazafy dia : "Aza miady amin'ny olona mahay izany fa ataovy namana ny olona nianatra ho alain-tahaka sy hisintona anao mba hanana toetsaina hiakatra. Izay ny ahy no nataoko dia mba fantatr'izao tontolo izao ny tena e. Tsy ny fiadianao amin'ny olona nianatra no hampivoatra anao sy hampilentika ny efa tafa". "Izay ilay tsiambaratelon'ny fahombiazana", hoy izy. Namaly ankolaka ireo mpitsikera ny manampahaizana i Pr Jonah Ratsimbazafy raha nilaza fa "tsy maintsy mila vazaha mahay aloha ilay Malagasy hatramin'izao hanao asa goavana eto...raha tsy mbola manakambo koa".
Jean D

Pr Jonah Ratsimbazafy
 

Dans la même rubrique