Mampitaraina ny mpianatra ny momba ny rafitra vaovao ampiharina ao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona na FLSH eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly, mikasika ny naoty. Hatramin’ny volana martsa 2025 dia mampihatra amin’ny fomba henjana ny didim-pitondràna laharana faha-159/15/UA, andininy faha-31, ity fakiolte ity, izay mandrara ny mpianatra tsy hahita, tsy hihazona ary tsy hitahiry ny «relevé de notes» na fitehirizana ny naotiny manokana. Tsy maintsy alefan’ny fitantanana mivantana amin’zay ilanà azy ihany izany. Na dia lazaina amin’ny fomba ofisialy aza fa natao hiadiana amin’ny fanaovana hosoka amin’ny antontan-taratasin’ny anjerimanontolo io fepetra io dia lasa mifanohitra amin’ny tanjona kendrena izy satria manakana tanteraka ny mpianatra avy amin’ny oniversitem-panjakàna tsy hahazo fahafahana akademika sy matihanina iraisampirenena, toy ny vatsim-pianarana ambony lenta, fizaran’asa ary fiofanana. Na dia lazaina aza fa halefa tsy misy fahataràna ny «relevé des notes», dia nisy tranga iray tena nanamarika, izay nolazain’ny fitantanana fa tsy halefa ny naoty satria “tsy mazava”, nefa efa nomen’ilay mpianatra avokoa ny mombamomba rehetra ilaina, toy ny adiresy mailaka, toerana, anaran’ny mpandray, ary ny firenena. Midika izany fa na dia manaraka ny fitsipika aza ny mpianatra dia tsy azo antoka fa ho tonga any amin’ny toerana marina, amin’ny endrika mety, ary ao anatin’ny fe-potoana takiana ny «relevé de notes»-ny. Tafahoatra ity fitsipika ity, manararaotra, henjana loatra ary tsy misy fepetra fanohanana ny mpianatra.
TSY VONONA HIFAMPIRESAKA NY TOMPON’ANDRAIKITRA ?
Ankoatra izany, ny fihetsiky ny tompon’andraikitra voakasika, dia ny sojabe sy ny mpiasan’ny fitantanana (PAT) dia maneho fa tsy vonona hifampiresaka ry zareo. Nilazany ihany koa fa mikasika ny vatsim-pianarana dia tokony hanaraka ny fitsipiky ny Oniversiten’Antananarivo ny andrim-panomezana vatsim-pianarana na ny oniversite any ivelany fa tsy ny mifanohitra amin’izany. Hevitra tsy mitombina izany satria ny mpianatra avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo no mangataka vatsim-pianarana, ka mametraka azy amin’ny toe-javatra hoe izahay izany sady mangataka nefa te hametra ihany koa ny fepetra. Ho an’ny mpianatra nefa, ny «relevé de notes» dia zo fototra ary ny tsy fahazoana miditra aminy dia manitsakitsaka ny zo hahazo antontan-taratasy ara-pitantanana, araka ny andininy faha-23, amin’ny lalàna 2014-038, ary mampifindra ny voka-dratsin’ny hosoka taloha amin’ireo mpianatra tsy nanota akory.
MANAITRA NY AMBARATONGA REHETRA
Te hampaneno lakolosy fanairana amin’ny ambaratonga rehetra ny mpianatra mitaraina satria ireo naoty ireo no hamaritra ny hoaviny ary lasa miankina amin’ny fanapahan-kevitra malefaka ataon’olona vitsy ny hoavin’ny tanora maro. Manantena noho izany ny hanitsiana indray ny andininy faha-31 mba hampifandanjana ny ady amin’ny hosoka sy ny fanajàna ny zon’ny mpianatra. Ao anatin’ny rafitra ara-pitantanana rehetra dia hisy hatrany ny fikasàna hanao hosoka saingy inoana fa tsy ny fandraràna tanteraka ny antontan-taratasy ho an’ny rehetra no vahaolana fa ny fanamafisana ny fiarovana sy ny maha azo itokiana azy, indrindra amin’ny alalan’ny vahaolana nomerika. Fangatahana, noho izany, ny hanekena mazava ao anatin’ny fitsipika fa manana zo hahazo kopia ofisialin’ny «relevé de notes»-ny ny mpianatra rehetra nahazo diplaoma na nahavita ny «crédit», izany hoe, ireo taranja takiana na amin’ny endrika taratasy na amin’ny endrika nomerika voaaro amin’ny fitaovana fanamarinana toy ny laharana manokana, kaody QR, sonia elektronika na rafitra fiarovana avo lenta hafa nefa tsy manakana ny fahafahan’ny fitantanana mandefa mivantana izany raha ilaina. Tsy tranga tokana io fa maro amin’ny mpianatra no mitsahatra fotsiny noho ny havizanana na ny tahotra. Ny saran’ny fianarana nefa miakatra hatrany saingy ny valin-kasasaran'ny mpianatra izany tsy ho hitany mihitsy, hoy hatrany ity fitarainana mpianatra ity.
Nangonin’i J. Mirija