no mpiadina tsara naoty indrindra tamin'ny fanadinana CEPE farany teo tany amin'ny Faritra Itasy. Mpianatra avy ao amin'ny Lisea Fjkm Antanisoa Miarinarivo izy raha araka ny vaovao azo ary izy no hita ho matotra indrindra tamin'ireo mpiadina niaraka taminy. 19,6 /20 no naoty azony tamin'izany izay mendri-piderana tokoa. Efatra mianadahy moa ry Sarobidy no iraitampo ka izy no zandriny indrindra. Ny ho lasa dokotera no mba nofinofiny rehefa any aoriana any. Tsiahivina fa maro amin'ireo zaza Malagasy no mahay sy maranin-tsaina toa an'i Diary. Ny olana anefa dia misy ireo tsy mahavita fianarana hatramin'ny farany akory vokatry ny fahasahiranan'ny Ray aman-dReny. Porofon'izany ny fihenan'ny tahan'ireo ankizy miditra an-tsekoly isan-taona manerana ny Nosy. Izy ireny anefa no ho avin'ny Firenena sy ho lasa mpitantana atsy ho atsy ka mampanahy be ihany.
Nangonin'i Pati
Légende : Zaza tena tokony hotafita i Diary raha tsara tohana