airtel

Fandriampahalemana

18-févr-2026

4 LAHY NANGALATRA VY 620 KG

Voasambotry ny Polisy tao Soanierana Ivongo

Sample post image

Lehilahy miisa efatra no voasambotry

18-févr-2026

ny Polisy avy ao amin'ny Fitaleavamparitry ny Filaminambahoaka Analamanga noho ny fangalarana fitaovana tao amin'ny mpampiasa azy. Naharay fitoriana ny Polisy tamin’ny fiandohan’ny volana Febroary fa nisy mpiasa nangalatra tao amina orinasa iray eny Soanierana. Natao avy hatrany ny fanadihadiana sy fikarohana notarihin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny heloka ara-toekarena Analamanga. Tratra tany amin'ireo lehilahy miisa efatra izay mpiasa tao amin'ilay orinasa ny "bobines de cuivre" miisa telo, milanja 620 kilao izay nangalarin'izy ireo. Rehefa natolotra ny fampanoavana ny raharaha ny 16 Febroary 2026 dia nidoboka am-ponja avokoa izy efa-dahy.
Pati
Légende : Ireo izy efa-dahy !
 

Dans la même rubrique