airtel

Fandriampahalemana

16-avril-2026

Tsiroanomandidy Ville

Voasambotra ireo jiolahy

Sample post image

mitam-piadiana sady mpandroba

16-avril-2026

Ela nitoratorahana ka tratra ihany ireo jiolahy tompon'antoka tamin'ireo fanafihana mitam-piadiana nisesisesy nitranga tao Tsiroanomandidy renivohitry ny Faritra Bongolava. Telo lahy izy ireo no voasambotra, miampy vehivavy iray izay mpampiantrano azy ireo. Mbola misy valo ireo namany karohana amin'izao fotoana izao. Lavon'ny balan'ny Polisim-pirenena ny 27 Martsa lasa teo ny lehiben'izy ireo. Manodidina ny 30 tapitrisa Ariary ny vola voaroban'ireto jiolahy ireto tamina tokatrano maromaro ankoatra ny finday sy firavaka ary enta-madinika isan-karazany Fitoriana napetraky ny fianakaviana isany lasibatra tamin'ny fanafihana mitam- piadiana ny 18 Desambra 2025 no niaingan'ny famotorana nataon'ny Zandary sy ny Polisim-pirenena. Mangataka ireo lasibatra ny fandefasana ireo jiolahy ireo any Tsiafahy hanefa ny saziny fa tsy ao Tsiroanomandidy.
Nangonin'i Jean D.
Ireo jiolahy tompon'antoka tamin'ireo fanafihana mitam-piadiana nitranga tao Tsiroanomandidy
 

Dans la même rubrique

14-avril-2026

Tambajotra iray mpangalatra moto no

Card image cap
14-avril-2026

Mpamily tuc tuc iray tao Taomasina no

Card image cap