novonoiny ny Rainy, naolany ny Reniny
Zava-doza no nitranga tany amin’ny kaominina Soavina, distrikan’i Betafo ny 12 Oktobra alina lasa teo. Tokantrano iray no notafihin’ny jiolahy mirongo fiadiana ka maty novonoin’izy ireo tamin’izany ilay Raim-pianakaviana. Naolany kosa ka feno tahotra ilay Renim-pianakaviana hany ka torana tsy ́nahatsiaro tena. Nentin’izy ireo nitsoaka ilay zazalahy kely vao 3 taona monja zanak’izy ireo taorian’izany. Nangatahan’ireo jiolahy 10 tapitrisa Ar ny fianakaviany taorian’ilay tranga saingy tsy afa-nanoatra ireto farany. Ny razana koa teo an-daniny tsy maintsy nokarakaraina, ny marary tsy maintsy notsaboina. Vokatry ny ezaky ny zandarimariam-pirenena sy ny polisy ao Betafo dia hita ihany ilay zaza tsy manan-tsiny. Natsipin’ireo jiolahy teny amin’ny arabe izy raha araka ny loharanom-baovao azo. Rahalahin’ilay Rangahy Rainy maty ihany no voalaza fa tompon’antoka tamin’izany noho ny olana ara-pianakaviana sy ny fialonana niampy olon-kafa iray. Olona miisa 5 no voalaza fa voarohirohy amin’ity raharaha ity. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely nalain’ireo dahalo an-keriny na i Natolotriniavo !