Voasambotra tao anaty Karandaly iray avy any Ilalaka i Kelindaty izay mpanao asa fanafihana ikoizana ary anisany nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-piadiana tetsy Anosibe Antananarivo ny herinandro lasa iny. Izy ilay nitifitra nahafaty ilay mpandraharaha ara-toekarena (Opérateur économique) vao 34 taona teny Anosibe, ary nandroba vola 8 tapitra Ariary. MAKA Orlando na MAMENOSOA na i KELINDATY no fiantsona azy, tratra ny 19 oktobra 26 noho ny fiara-miasa teo amin'ny Brigade Criminelle Antananarivo sy ny Police ao Betroka, ekipa notarihin'ny Chef CSP Betroka. Efa natolotra ny Brigade Criminelle na ny Sampana misahana ny heloka bevava eto Antananarivo. Raha tsiahivina, izy ilay nanao kasikety mainty niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera ny sariny , rehefa azon'ny "caméra de surveillance" , nandritra ny fanafihana. Nanomboka teo dia tsy natory ny mpitandro ny filaminana, fa nanamafy ny fikarohana azy. Nampiasaina ny teknolojia ampitain-davitra misy eto amintsika, tamin'ny alalan'ny fampiasana ny fanaraha-maso ny finday nampiasainy, raha ny tatitra. Voalaza fa efa nialokaloka tao amin'ny Kominina Ambanivohitra Ilakaka, Disitrikan'i Ihosy , Faritra Ihorombe ny tenany. Avy ao izy no nandray Karandaly iray mampitohy an'Ilakaka sy ny Disitrikan'i Amboasary atsimo, nikasa handositra aty amin'ny Faritra atsima. Natao ny velam-pandrika rehetra nomanina nialoha satria Jiolahy nitam-basy no ho samborina. Voasakana ilay Karandaly, natao ny fisavana ny olona rehetra, io fa tao tokoa i Mamenosoa na i Kelindaty, ary nosamborina avy hatrany. Namaly ihany izy, saingy tsy nahatohitra ny paik'ady tsara lamina nialoha efa nampetraka ny Polisy nisamborana azy, hoy ny tatitra. Rehefa voasambotra dia natao ny fisavana, ka nahitana finday androïdes roa samy hafa tany aminy, ny iray nitsirihana azy, ny iray nampiasainy namomanany ny diany. Nahitana karampanondro iray vaovao koa tany aminy, misoratra amin'ny anaran'i MAkA Orlando, karampanondro hafa indray io. Marihina fa isan'ny voatonontonona ho isan'ny nanao fanafihana mitam-basy teny amin'ny trano dimy Anosipatrana ihany koa i Kelindaty, ary mety ho lalana hahafahana misambotra ny ekipany.
Toky R