Teratany bahiny iray mifonja ao amin’ny fonjan’i Nosy Be no fantatra fa manao tiktok isan'andro amin’ny finday ka manaparitaka izany eraky ny tambajotran-tserasera maro samihafa. Milaza izy fa nampita ny vaovao amin'ireo haino aman-jery maromaro any ivelany hanehoana fa manjaka ny kolikoly eto Madagasikara. Isan'ny hita ao anatin'io horonan-tsary io ny mpiambina fonja matoritory eo ambony fandriana , ireo gadra mivezivezy , ny tavoahangy nisotrosotroana sns...izay mitovy amin’ny fiainana ety ivelany mihitsy. Fanontaniana miantefa any amin’ireo tompon'andraikitry ny Fonja araka izany ny hoe : azon'ny voafonja hatao nga moa ny mitondra finday any anaty fonja ? misy fanaraha-maso ihany ve sa dia samy mandeha samy mitady ny any anatin'ireny ivon-toerana famonjana ireny ? Manao ahoana ny zava-misy any amin’ireo fonja sasany ? Mitovy amin’ny ao Nosy Be koa ve ? Andrasana ny fandraisan’andraikitr’ireo voakasika mba tsy hiitaran’ny raharaha vao hikoropaka indray.
Nangonin’i Pati
Legende : Navoakan’ity tera-tany vahiny ity ny tena zava-misy marina ao amin’ny fonjan’i Nosy be !