airtel

Fandriampahalemana

22-oct-2026

MPANGALATRA

TAOLAM-PATY

Sample post image

Telolahy nidoboka am-ponja ao Tolagnaro

22-oct-2026

Lehilahy telo no indray voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny DRSP Anôsy nitondra taolam-paty iray gony ny 16 Oktobra teo. Araka ny fanadihadiana, dia tany Taviala, Kaominina ambanivohitr’i Manambaro, no misy ny fasana nakan'izy ireo taolam-balo ary nitadiavana mpividy tao Taolagnaro izany. Tratra teny am-pandehanana anefa ny entana ka noraisim-potsiny ireo mpanao ratsy. Taorian'ny fanadihadiana dia natolotra ny Fampanoavana ny 20 Oktobra teo ireo voarohirohy ireo ka nidoboka ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro. Tsy mbola fantatra kosa izay ati-doha tena mpaniraka azy ireo sy ireo olona mpandray ny entana efa nifampiraharaha taminy. Tsiahivina moa fa tsy nisy tratra mihitsy hatreto ireo lohandohan’ny mpisorona amin’ny fangalarana taolam-paty eto amintsika. Ireo irakiraka hatrany no mitondra faisana izay marihina fa mahavita manao vy very ny ainy tsy mety milaza ny marina.
Pati
Legende : Izy telolahy efa manohy ny fiainany any am-ponja !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

afaka manao tik tok

Card image cap
22-oct-2026

Voasambotra tany Ilakaka i Kelindaty

Card image cap
22-oct-2026

Natsipin’ny jiolahy teny amin’ny arabe,

Card image cap
21-oct-2026

100 taonina isan-taona,

Card image cap
21-oct-2026

Tratra ihany rehefa avy

Card image cap