airtel

Fandriampahalemana

16-avril-2026

Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Sample post image

Taorian'ny fampitam-baovao nataon'ny

16-avril-2026

Polisim-pirenena omaly dia niverina nitondra fanazavana mikasika ny nandoran'ny andian'olona ny Kaomisaria sy herisetra nihatra tamin'ny mpitandro filaminana izay niseho tany Vohémar, ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena ny Contrôleur Général de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor. Nambarany fa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka sy fandikàna ny foto-kevitry ny Fanjakana tan-dalàna ny zava-nitranga. Manameloka tanteraka ny herisetra sy ny fitsaram-bahoaka izy, indrindra ny fanafihana ny mpitandro filaminana sy ny Kaomisarian’ny Polisy. Efa nandray fepetra hentitra ny Polisim-pirenena, hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, anisan’izany ny fanamafisana ny fiarovana sy ny fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka, mba hamerenana haingana ny filaminana. Nivoitra ireo nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony, tetsy Anosy omaly, nitondrany fanazavàna momba ny raharaha niseho tao Vohémar niseho ny 14 Aprily 2026 izay nahamay ny biraon’ny Polisy tany an-toerana. Miantso ny vahoaka kosa mba ho tony, hanaja ny lalàna ary haneho fahamatorana ny Polisim-pirenena. Tsy vaovao ny tranga fikomiam-bahoaka toy izao. Efa lasibatra tamin'izany koa ny biraon'ny zandary tao Mandoto - Vakinankaratra. Matetika dia ny fahatokisan'ny olona ny Fitsarana no antony, satria misy olon-dratsy na tratra ambodiomby izao aza dia zara fa voatazona am-ponja dia miverina manohy ny asa ratsiny eny anivon'ny fiaraha-monina indray.
Jean D.
Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Polisim-pirenena nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

Card image cap
06-mai-2026

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

Card image cap
06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap