Miantso ny vahoaka hifanome tanana amin'ny Fitondrana Fanavaozana ny Vovonana RALI na ny Rassemblement des agriculteurs libres et indépendant tarihin'ny Filoha nasionaliny Ralaimahary Linot. Diso mahazo vahana loatra mantsy ny herisetra sy ny vono olona eto amintsika raha ny fahitana azy no sady lasa mitaiza ny sain'ny fiaraha-monina mihitsy izany. Mila mifanome tanana isika rehetra hoy hatrany izy mitady izay tena ati-doha ao ambadik'ireny tranga mampalahelo ireny. Efa tena mety izao ezaka hataon'ny Fitondrana Fanavaozana izao ho an'ny Vovonana RALI. Tafiditra ao anatin''izany ny fama-hana ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena hiainan'ny mponina saingy mbola manao ny hataony ihany ny mpanakorontana. Mikasika ny orinasa JIRAMA manokana dia nambaran-dRalaimahary Linot fa rariny loatra raha hisy ny fanadihadiana parlemantera mba hahafantaran'ny vahoaka Malagasy ny tena marina. Tsy tokony hijanona eo amin'ny mpiasan ny Jirama ihany ny famotorana hoy izy fa tokony ho voakasika ihany koa ireo fournisseur niara-niasa tamin'ity orinasam-panjakana iray ity ka anjaran'ny Fitondram-panjakana no manapa-kevitra aorian'izany. Farany moa izay tsy kely dia mangataka ny hijerena ireo olona anatin'ny Fitondrana Fanavaozana na tsia ny Vovonana RALI fa misy mety manana tombotsoa ao anatin'izao fanakorontana izao ny sasany amin'izy ireny.
Pati
Légende : Izy no Ralaimahary Linot, Filohan'ny Vovonana RALI aminy !