airtel

Fandriampahalemana

16-avril-2026

Asa ratsy sy halatra

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Sample post image

nitondra ny Tarika TIRIKE

16-avril-2026

Mitohy hatrany ny fihanihana fiara eny amin'ny lalampirenena fahafito na ny RN7 mampitohy an'Antananarivo sy Toliara, hahafahana mangalatra entana eny ambony tafo, ataon'ny olon-dratsy. Fiara taksibrosy iray hiazo Toliara indray no nisy nihanika teny am-pandehanana teo anelanelan’ Ihazolava sy Antsoantany, ny maraimben'ny omaly alarobia 15 aprily 2026. Ny Tarika Tirike izay hiazo an'i Toliara hiatrika ny Festival Tsapiky no lasibatra tao anatin'izany. Nodidian’ny olon-dratsy ny tady sy ny labasy, ka nisy ny valizy "grise" nisy entana sarobidy lasa. "Iangaviana izay izay manana vaovao mikasika an'io hampandre anay fa homena valisoa, antsoy ny 0340771118", hoy i Tirike Augustin. Heverina fa tao anatin'ny fotoana nandehanan'ny fiara tamin'ny lalana somary ratsy moa no niakaran'ireo tsy matahotody tao ambony tafo, izay tena sarotra satria na ny tohatra aorian'ilay fiara sprinter aza tsy nisy, kanefa vitan'ireo tsy tsicalahara ny miakatra aminy amin'ny andro alina, tsy tsikaritry ny mpandeha sy ny mpamily. Efa nametraka fitarainana teo anivon'ny zandarimaria Andranomanelatra moa ny lasibatra. Ankoatra ny lalàn-dratsy eo anelanelan'Ihazolava sy Antsoantany, dia anisan'ny mampatahotra sy hitrangana toe-javatra tahaka izao ny faritra Tampon'Ihorombe izay tsy taksibrosy ihany fa na fiara tsotra aza lasibatra, raha ny fanamarihana. Tahaka izany ihany koa ny lalàn-dratsy eo anelanelan'i Sakaraha hatrany Andranovory, indrindra amin'ny andro alina. Anisan'ny voka-dratsin'ny faharatsian'ny lalana ny tahaka izao izay hanairana ny Fitondram-panjakana sy manampahefana isan'ambaratongany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

Card image cap
06-mai-2026

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

Card image cap
06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap