airtel

Fandriampahalemana

16-sept-2025

67Ha

Teratany sinoa 2 hita faty nihohoka teo ambony fandriana

Sample post image

Mpivady lehibe teratany sinoa lehilahy (63 taona) sy

16-sept-2025

Sinoa vehivavy (60 taona) no hita faty tetsy 67Ha Sud omaly tolakandro. Vatana mangatsiatsiaka roa efa namofona nihohoka teo ambony fandriana no hita tao amin'ny efitra nitoerany. Tompon'ny trano fisakafoana Venus ireo ireto maty ireto. Nanomboka alakamisy 11 septambra no tsikaritra ho nihidy avy aty ivelany io toeram-pisakafoana io, hoy ny fanamarihana. Voalaza ihany koa fa nisy soratra hoe "congé annuel" tao amin’io toeram-pisakafoana io. Ny manodidina nandre fofona hafahafa, moa ny naman'ireto Sinoa ihany koa nampandre polisy rehefa tsy nahazo vaovao momba azy ireo mihitsy nandritra izay fotoana nikatonan'ny toerana izay. Ny fatin'izy mivady sisa no hita herinandro taorian'ny tsy nahitana azy ireo. Heverina avy hatrany ho vono olona niniana natao no nitranga, saingy ny fanadihadian'ny manam-pahefana no hamaritra ny tena antony. Halatra ve? Valifaty ve? Tsy vao tranga vaovao teny amin'ny faritra 67ha ny toy izao satria isan'ny trangam-piarahamonina nampivarahontsana ny namonoana an'ilay tovovavy vao 17 taona zanaka mpanakanto tamin'ny volana aprily lasa teo. Ampahany ireo izay maneho fa mafana amin'ny asa ratsy mampivarahontsana iny faritra iny. Tsy 67ha ihany anefa fa saika manerana ny Nosy no tsy milamina, tsy mandry fahalemana ny tany,... Mifamatotra ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana, ary rehefa tsy mahomby ny politika ara-toekarena sy ara-tsosialy toy ny resaka famoron'asa dia mitombo ny tahan'ny asa ratsy na "taux de criminalité" amin'ny Firenena iray. Ny toe-javatra tahaka itony ihany koa dia mety hampihemotra ireo teratany vahiny mikasika hitsidika na handraharaha eto Madagasikara, ka mila politika momba ny fandriampahalemana mahomby kokoa satria tsy vao sambany ny tranga toy izao, ary lasibatra avokoa na Malagasy na vahiny.
Toky R

 

Dans la même rubrique