Tsy mionona fotsiny amin'ny fisamborana sy ny fandravana ireo tambazotra mpanaparitaka zava-mahadomelina eto amintsika ny zandary fa mandray andraikitra sy miaro ireo tanora ihany koa indrindra fa ireo mpianatra, izay tena tandindomin-doza tokoa. Mpianatra an-jatony no notetezin’izy ireo sy nanaovany fanentanana nandritra ny roa herinandro nanerana ireo sekolim-panjakana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra Ambohidratrimo no nitarika izany nitety ireo lisea sy CEG eny an-toerana. Nivoitra nandritra izany ny fampitandremana ireo tanora mpianatra mikasika ny zava-mahadomelina sy ny tontolony ary ny voka-dratsy aterak’izany eo amin’ny fahasalamana sy ny fiainam-piaraha-monina ankapobeny mihitsy. Anisan’ireny ny tsy fisian’ny fandriampahalemana toy ny fangalarana, ny famonoana olona rehefa teren’ny vola hividianana roro….Samy resy lahatra ireo mpianatra tamin’ny ankapobeny, eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 20 taona mahery.
Nangonin’i Pati
Legende : Liana ery teto ireo ankizy mpianatra
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy