airtel

Fandriampahalemana

16-mai-2025

JIOLAHY EFA NIGADRA TENY TSIAFAHY

Nahatrarana basy sy karapanondro hosoka indray

Sample post image

Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy

16-mai-2025

teny Andohanarofotsy ny 10 May lasa teo rehefa niafina nandritra ny fotoana maro. Efa voarohirohy tamin’ny resaka vono olona sy fanafihana mitam-piadiana ity olon-dratsy ity, raha tsiahivina. Nandritra ny fisavàna ny tranony dia tratran’ny Polisy tao aminy ny basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy karapanondro-pirenena hosoka izay fampiasany. Efa voasambotra tao anivon'ny Polisim-pirenena ity jiolahy ity ny volana Desambra taona 2020 ary voafonja teny Tsiafahy. Nandritra ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa anisan'ny nandray anjara tamin'ny fanafihana mpanakalo vola vahiny teny Analakely izy tamin'ny volana Janoary lasa teo. Natolotra ny fampanoavana afak’omaly Alarobia 14 May ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Pati
Legende : Efa mpamerin-keloka avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.

Card image cap
12-juin-2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap