fitaovam-piadiana ny mpandraharahan’ny fonja
Niarahaba ireo mpianatra vao nivoaka sy ireo Ray aman-dReny nahatafita zanaka ny Sendikan'ny mpandraharahan'ny fonja eto Madagasikara na ny SPAPM, izay nanome voninahitra ny famoahana ireo andiany Fanilo 400 isa ny zoma lasa teo. Tafiditra ho mpikambana feno amin'ny sendika izy ireo, ka nanentanany ny fahavitrihan'ny rehetra. Anisan'ny rafitra iray ivelan'ny "administration" miady ny zon'ny mpiasa sy ny tombotsoan'ny mpiasa izay tsy vitan'ny Birao irery. Ny sendika no afaka miady ny zo sy tombotsoa iombonan'ny mpiasa any amin'ny rafi-panjakana mahefa. "Manamafy ny antso sy fitakiana nataonay hatrizay hoe ampitomboina ny mpandraharahan'ny fonja, mangataka fanomezana "postes budgétaires" amin'ity taona ity satria isika rahateo hiroso amin'ny fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana na LFR eo anivon'ny Antenimierampirenena", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny SPAPM Atoa Mohamed Razafiberison. Tena tsy ampy, hoy izy, ny mpiasa misahana ny Fiambenana eny anivon'ny fonja satria mpandraharahan'ny fonja iray misahana olona maherin'ny folo, raha 4 na 5 ny fenitra iraisam-pirenena. « Mitombo anefa ny isan'ny voafonja,ombieny ombieny ny fahenoana fisian’ireo olona "criminels" izay manana eritreritra hanao zavatra mamoafady, tonga hatramin'ny fikasana hifofo ny ain'ny Filoha, fikasana hanongam-panjakana,... ka izy ireny dia itadiavana mpiasa mahafeno fepetra sy voahofana araka ny tokony ho izy taty amin'ny ENAP, hoy izy. Tena ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena mandroso manana fandraharahana ny fonja sy amin'ireo Nosy manodidina. « Ho an'ny voafonja misy ihany ny voavaly fa ho an'ny mpiasa tena tena sarotra ny hilaza fa voavaly ny fepetra momba ny fotodrafitrasa sy arak'asa ho anay satria mbola maro ny fitaovana tsy ampy, ny fiara fitaterana, ny fitaovam-piadiana izay tokony ho ampiasaina,... », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM
NY AMBANA MITOMBO, NY FITAOVAM-PIADIANA EFA FAHAGOLA…
"Ny resaka fitaovam-piadiana dia tsy tokony hohadinoina fa ny ankamaroan'ireo olon-dratsy dia mpitana basy avokoa, ireo mikasa hamono Filoha mitana basy, ireo mikasa hanongam-panjakana manana basy ary tena raitra,... Tokony hifanaraka amin'izany ny fitaovana sy basy ho an'ireo mpandraharahan'ny fonja mitazona azy ireny satria na ny fonja aza mety tandindon-doza amin'ny mety ho fanafihana ataon'ny naman'izy ireny. Basy efa fahagola no tazonin'ny mpandraharahan'ny fonja ka hanaovana antso amin'ny Fanjakana sy ny Filoham-panjakana ary ny Minisitera tompon'andraikitra hamatsy fitaovana manara-penitra. Notsipihiny ihany koa ny antso mikasika ny trano ho an'ny fandraharahana ny fonja satria saika mipetraka amin'ny toerana lavitry ny fonja ny ankamaroan'ny mpiasa, kanefa tokony hisy "caserne", ary toeram-pamonjana rehetra tokony hisy an'izany saingy tsy mba misy ho an'ny eto Madagasikara. « Mbola mitazona ny fangatahana Sekreteram-panjakana ny mpandraharahan'ny fonja, iny no tena fototry ny fitakiana, ary fantatray fa ny Filoham-panjakana sy ny Minisitra amin'izao manana "ambition" amin'ny politika, ka mbola mino 100% izahay, fa tsy hivadika amin'ny teny nomeny izy ireo amin'ny fifanarahana sy ny toky izay nomeny fa tsy maintsy ho azo io aorian'ny fikaondoham-pirenena", hoy i Mohamed Razafiberison.
Toky R