raharaha fanafihana mitam-piadiana, nitranga ny 20 Aprily 2026 teny amin’ny pont Ambodihady nahavoasaringotra sy nisamborana miaramila 6 sy sivily maromaro. Lasibatra ny mpitondra vola nitondra 73 175 000 Ariary an’ny Jovena Hezaka Ambodihady, izay nosakanan’olona 7 lahy tsy fantatra niaraka tamin’ny fiara Kia Sorento IMM 019 690 sy moto roa. Nentina an-keriny izy ary navelan’izy ireo teny an-dalana talohan’ny nandosirana nankany Ambohitrimanjaka. Voasambotra ny miaramila maromaro, tratra ny vola 14 980 000 Ariary sy basy PA Makarov 09 mm misy bala 08, saingy mbola tsy hita ny kaporaly iray, olon-tsotra iray ary solombavambahoaka iray. Namoaka fanambarana ny Ministeran’ny Foloalindahy sy Etamazaoron’ny Tafika fa tsy tomponandraikitra amin’ny fihetsika ivelan’ny asa aradalàna ny rafitra, manameloka ny fanitsakitsahana lalàna sy etika, midera ny fandraisana andraikitra nahatonga fisamborana haingana, ary manamafy fa hatolotra ny Fitsarana ireo voarohirohy. « Natao ho tandroka aron’ny vozona ny tafka ka tsy ekena velively ny tranga mamoafady toy izao, ary mampitandrina ireo sanatria mbola manana fikasan-dratsy mba hiverina amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika ara-miaramila », hoy ny fanambarana. Nilaza kosa ny Minisiteran’ny Fitsarana, fa ny miaramila iray voatonona ho mpiambina manokana manokan’ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo, fa efa nitsahatra tsy niasa tamin'izany andraikitra izany, niaraka tamin'ny fahataperan'ny asan'ny Governemanta teo aloha. Nambara fa tsy mpiambina manokan-dRamatoa Minisitra intsony izy io amin’izao fotoana izao. « Tsy tompon'andraikitra amin'ny fihetsika ataon'olona tsirairay ivelan'ny andraikitra ofisialy nankinina aminy ny Minisiteran'ny Fitsarana », hoy ny fanambarana. Nambara fa nanome baiko hentitra avy hatrany io Minisitra io mba tsy hisian'ny fanelanelanana na fanerena avy amin'iza na iza, ary mba hampiharana tsy misy hatak'andro ny lalána manoloana ireo fihetsika mamoafady. Navoitra fa tsy handefitra amin'ny fandikan-dalána ny Minisiteran'ny Fitsarana ary manentana ny Fitsarana mahefa hampihatra ny lalana amim-pahitsiana sy tay mitanila. Nambara fa manohana ny fandraisan’andraikitr’ireo bmpitandro ny filaminana izay nahafahana nisambotra ireo voarohirohy ny Minisiteran'ny Fitsarana, ary miantso ny rehetra hanaja ny fizotran'ny fanadihadiana. Hampiharina araka ny tokony ho izy ny fepetra rehetra takian'ny lalana, ary hatolotra ny Fitsarana mahefa (mandray ny raharaha) ireo voakasika rehetra mba hitsarana azy araka ny rariny sy ny hitsiny, hoy hatrany ny fanambarana. Ireo miaramila izay tsy miaramila tsotra fa voatonontonona ho akaiky olona ambony eto amin’ny Firenena, izay midika fa saropady ity afera ity, ahiana ny tsindry na eo aza ny fanambarana,…
NANASA TANANA NY FANJAKANA…
Samy nanasa tànana anefa na izany aza na ny Minisiteran’ny foloalindahy na ny Minisiteran’ny Fitsarana. Heverina raha raisina amin’io ny fanamorana ny « ordre de poursuite » avy amin’ny Minisiteran’ny foloalindahy noho ny fisiana miaramila voasaringotra. Miandry izay ho tohiny noho izany ny rehetra, izay irariana ny hisiana fampitam-baovao mazava sy marina ary feno manoloana ny ho fivoaran’ity raharaha ity. Saropady ity raharaha ity, saingy tsetsatsetsa tsy aritra ihany koa no hanehoana fa mety taratry ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy mpitandro filaminana ity raharaha ity izay somary manaitra ihany hoe : efa 20 aprily ny afera fa ny 26 aprily vao tena nirefotra ny dosie… Andrasana ny tohiny !
Toky R