airtel

Fandriampahalemana

10-sept-2026

Ady amin’ny heloka an’habaka

Mifarimbona amin'izao

Sample post image

tontolo izao i Madagasikara

10-sept-2026

Manamafy ny fahavononany handray anjara amin’ireo ezaka efa atao iraisam-pirenena mba hahatonga ny tontolon’ny habaka ho azo antoka sy manaraka ny zon’olombelona i Madagasikara. Poron'izany ny fanaovan-tsonia ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny ady amin’ny heloka an’habaka, «Convention de Hanoï » natao tao amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana tao New York izany ny faha-4 septembra 2026 teo tamin’ny alalan’ny Solontena Maharitra eo anivon’ny Firenena Mikambana, Ramatoa Lanto Rahajarizafy. Manamarika dingana lehibe amin’ny fahavononan’i Madagasikara hanamafy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fiarovana sy ny fiatrehana ny ady amin’ny heloka an’habaka sy fanamorana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana sy ny fifanakalozana mahakasika ny porofo elektronika izao fanaovan-tsonia izao. Tafiditra anatin’ny fampifanarahana izany amin’ny lalàna malagasy ihany koa izao dingana izao.
Jean D.
Ramatoa Lanto Rahajarizafy, Solontena Maharitra eo anivon’ny Firenena Mikambana, nanao sonia ny «Convention de Hanoï »
 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Nahazo fiara 4x4 tsy mataho-dalana

Card image cap