airtel

Fandriampahalemana

29-juil-2026

Ady amin’ny

herisetra sy fahaverezana olona

Sample post image

Misy ny sehatra an’habaka

29-juil-2026

ahafahana mitoroka sy manao filazana
Manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny ady amin’ny herisetra sy fahaverezana olona ataon'ny Polisim-pirenena. Misy ankehitriny ary efa miasa ny sehatra anabaka ahafahan'ny olom-pirenena mitoroka sy mampilaza ireo tranganà herisetra mifototra amin'ny miralenta, ary koa ny fampilazana ireo tranga fahaverezan'olona. Nampahafarin'ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police Erick Michel, tetsy Anosy, omaly, ny fisian’izany sehatra anabaka izany. Notsindriany fa ny tanjon'ity sehatra nomerika ity dia ny hanamoràna ny fitorohana ireo tranga herisetra, isan’izany ny mifandraika amin’ny fahaverezana olona. Samy azo hidirana amin’io sehatra io avokoa na ny solosaina na ny finday « androïd » rehefa misy fahana Internet. Afaka ampiasaina ity sehatra ity na hanatona ny Kaomisaria akaiky indrindra raha sendra misy tranga mila fampandrenesana. Azo atao ny manao fitorohana tsy mitonona anarana ary voatana tanteraka ny tsiambaratelo.
Nangonin'i Jean D.
Fanehoana ilay sehatra anabaka ahafahana mitoroka sy manao filazana
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Tovolahy tsy salama saina matin’ny fitsaram-bahoaka

Card image cap
30-juil-2026

Raikitra ny savorovoro teny Ambohidahy Ankadindramamy

Card image cap