antony hanaovan’ny kaominina maro hetsika handrakofana jiro ireo toerana be mpampiasa nefa kizokizo ao amin’ny faritra misy azy. Ho an’ny Kaominina Antehiroka dia tao amin’ny faritra Ambatotokana, Fokontany Antanetibe sy faritra Ambavafitana Fokontany Ankadivory no nanaovany izany asa izany hahafahana miaro ny ain’ny mponina sy ny fananany. Mizotra tsara ihany koa ny asa fanamboaran-dalana rarivato ao amin’ny faritra Ambatotokana Fokontany Antanetibe izay efa nampitaraina ny mponina an-taonany maro. Ankoatra ny fandrakofana jiro ny tanana moa dia efa miroso amin’ny fanentanana ny mponina ny kaominina Antehiroka amin’izao mba samy hitandrina sy ho mailo indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.
Nangonin’i Pati
Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :
Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fankalazàna ny faha 102 taonan’ny Sekoly