airtel

Fandriampahalemana

18-mai-2022

Fandriampahalemana

Afera maizina Misy mividy 5 000 dolara ny voa-maso iray

Sample post image

Raha araka ny fanadihadiana natao dia misy maka sy mividy ireny maso hangalarin’ireo dahalo sy ireny mpamono olona ireny ankoatra ny hampiasain’ireo ombiasy azy hanomezany hery ny ody gasy hampiasainy.

18-mai-2022

Ao anatin’ny tontolon’ny « trafic d’organe » no hisian’izany na fanondranana taova. Famindrana taova na transplantation raha araka ny fantatra hatrany no tena antony hakan’ireo tsy mataho-tody azy ireny ary tsy mifidy izany na ankizy na olon-dehibe. Ny famindrana maso mantsy raha araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray dia tsy mila fifanentanana eo amin’ny mpanome sy ny mpandray toy ny taova hafa fa afaka hampifanakalozana avy hatrany. Re fa mahatratra hatray amin’ny 5000 dolara na 19 985 000 ariary , izany hoe efa ho 20 tapitrisa ariary ny voa-maso iray.Mety ampy hanazavana ny firongatry ny halatra maso tato ho ato izany volabe izany; zatra efa mitranga amin’ny resaka taolam-paty koa mantsy ity mampiteny vola ity. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo ankizy any Atsimo dia renim-pianakaviana iray ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo no nisy namono ary tsy hita ny masony.
Nangonin’i Pati
Legende : Maro ireo efa lasibatry ny halatra voamaso teto amintsika
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Ny 24 aprily 2024 teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin'ny «Poste Avancé Masindray»

Card image cap
26-avril-2024

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

Card image cap
25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap