airtel

Fandriampahalemana

26-avril-2024

MPANENDAKA ENY

ANDRANOMANALINA Efa mpamerin-keloka ireo ny ankamaroany

Sample post image

Tovolahy vao herotrerony avokoa ireo jiolahy manao mpanendaka sy mpampijaly vahoaka ao Isotry ao.

26-avril-2024

Vao 18taona avokoa ireo voasambotry ny Polisin'ny CSP4 Isotry tao an-toerana ny 24 Aprily lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia aharay fitoriana tamina ramatoa iray ny Polisy ny 23 Aprily lasa teo fa nisy lehilahy telo nitondra antsy nandroba azy teny Andranomanalina ary lasan'ireo olon-dratsy nandritra izany ny findainy, ny perany ny karapanondrony niampy lela-vola 120 000 Ar. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy ny 24 aprily teo moa no nahatrarana ny lehilahy iray efa mpameri-keloka amin'ny resaka halatra miaro herisetra tahaka izao ka voamarina fa isan'ireo nanendaka ilay ramatoa izy io. Rehefa natao ny fikarohana ny namany roa hafa dia voasambotra teny Ampefiloha ireto farany. Marihina fa efa voasambotra nandritra ny hetsika SARIKA 1 ireto roalahy ireto. Mitohy ny fanadihadiana mahakasika izao raharaha izao.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy mivonona ny ho eny Antanimora indray !

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

Card image cap
27-mai-2025

Ela ny ela fa voasambotra ihany i Johary ! Avy namono ny olon-tiany antsoina hoe :

Card image cap
27-mai-2025

Nikasa hangalatra fiara roa fa tsy nahavita Tsy mitsaha-mivoatra mankany amin’ny ratsy

Card image cap