Tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana ny fisian’olona izay voalaza fa mpamatsy rongony iny faritra iny. Tsy niandry ela fa tamin’io daty voalaza etsy ambony io ihany dia nandeha teny amin’ilay toerana voalaza io izy ireo.Natao ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika ka tratra tamin’izany izy telo mirahavavy ireto Ambohidrazana/Fenoarivo. Izy ireo indray avy eo no nahafahana nisambotra ny vehivavy iray hafa izay mpamatsy azy ireo. Iretsy voalohany moa izay irakiraka ka mody mivarotra lasopy izy ireo no sady mivarotra rongony. Efa nandritra ny 6 taona no namarotany ity rongony ity ary efa nigadra tany am-ponja noho ny resaka famarotana zava-mahadomelina ilay mpamatsy azy irep. Vao nivoaka ny fonja tamin’ny taona 2021 izy raha araka ny fantatra.Nahatrarana rongony miisa 11 isa moa teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Karamaina 5.000ar ka hatramin’ny 10.000ar arakaraky ny tsena ireo mpivarotra. Vidiany 20.000ar ny rongony iray sachet plastika kely. Tsinjarainy izany ka hamidiny 1000ar ka hatramin’ny 2000ar ny fonosana iray. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy efatra mirahavavy !
Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,
Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.
Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.
Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.