marika Nissan Patrol NP 300 ny borigadin'ny zandarimariam-pirenena ao Alasora, distrikan'Avaradrano. Notanterahina omaly Alarobia 09 Septembra ny fanolorana tamim-pomba ofisialy izany fiara izany niampy gilet pare-balles namboarina tamin’ireo plaques anti-balles avy amin'ny AROS-PM La Grande-Motte ao la Frantsa. Nambaran'ny Ben'ny tanana Randriantsoa Jimmy nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa hetahetan'Itompokolahy Abel, kaomandin'ny borigadin'ny zandarimariam-pirenena teo aloha izay efa lasan-ko ho razana ny mba hahazoan'izy ireo fiara 4x4 tsy mataho-dalana tahaka izao. Ankehitriny anefa vao tanteraka izany izay nisaorany manokana ny mpiara-miombon'antoka. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Général de division Mamelison Mbina Nonos, ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, nisolo tena ny Minisitra Délégué. Toraka izany koa ny Préfet de Police -n'Antananarivo, ny Solombavambahoakan’Avaradrano Avotraina Andriamosa. Notsiahivin'ny Ben'ny tananan'Alasora moa fa anisan'ny manao ho laharam-pahamehana ny ady amin'ny tsy fandriampahalemana ao Alasora izy ireo. Jiro an-dalambe miisa 1.000 no efa tafapetraka hatreto manerana ireo Fokontany miisa 20. Toraka izany koa ny namadihana ny poste avancé tao Alasora ho lasa borigadin'ny zandarimariam-pirenena izay efa miisa 3 hatreto ireo olona nitantana azy. Olona miisa 4 moa no notoloran'ny zandarimariam-pirenena mari-pankasitrahana avy aminy noho ny asa tsara vitany ka anisan'ireny ny Ben'ny tananan'Alasora sy ny depiote-n'Avaradrano izay samy nahazo mari-pankasitrahana volamena avokoa raha volafotsy ny an'ireo roa ambiny.
Pati
Légende : Faly ireo zandarimariam-pirenena nahazo ny fitaovana !