Faritra maro amin'ny vatany no nahitana dian'antsy, hoy ny fanamarihana. Isan'izany ny teo amin'ny fony, izay heverina fa isan'ny nitarika ny fahafatesany. Miahiahy fisian'ny fanolanana ny mponina. Raha araka ny fitantaran'ny mponina dia nifanandrify tamin'ny nahatapahan'ny jiro noho ny delestazy teo anelanelan'ny tamin'ny 6 ora sy sasany hariva ka hatramin'ny 8 ora alina no nitrangan'izany. Zanaka vavitokan'ny Reniny izy io. Efa eny an-toerana ny dokotera sy ireo mpitandro ny filaminana. Tsy azo nalaina sary izany ho fanajana azy sy ny fianakaviany, sady voararan'ny mpitandro ny filaminana ary maizina tanteraka ilay toerana, hoy ny fampitam-baovaon'ny pejin-tseraseran'ny fahitalavitra iray omaly takariva. Tsy milamina ny tany ka aoka samy hitandrina mandrakariva.
Nangonin'i Toky R
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey
Jiolahy efa mpamerin-keloka no voasambotry ny Polisin’ny Brigade Criminelle Anosy