airtel

Fandriampahalemana

29-juil-2025

AMBATOLAHY ANTANIFOTSY

Nodoran’ny jiolahy ny trano rehefa tsy tratrany tao ny tompony

Sample post image

Nitrangana toe-javatra hafahafa afak’omaly Alahady 27 Jolay alina tany Amboatavo,

29-juil-2025

kaominina ambanivohitr’Ambatolahy, distrikan’Antanifotsy. Tokantrano iray misy efitrano maromaro no nodoran’ny jiolahy tsy nisy hatak’andro rehefa tsy tratrany tao an-tanana ny tompon-trano.Saika hanafika izy ireo raha araka ny vaovao azo saingy ny tsy voafaritra dia tsy hay intsony na saika haka an-keriny ilay tompon-trano izy ireo na hanafaka ny ainy mihitsy. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany. Raha tena jiolahy mitady haza mantsy izy ireo dia zarany aza tsy tao ny tompon-trano nahafahany nanjaka sy nanao izay tiany natao. Ity tao Ambatolahy ity kosa nodorany avy hatrany ny trano sy ny entana ary lasa izy ireo. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ny raharaha.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’ilay trano !
 

Dans la même rubrique